Alahady 12/11/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Nankalaza ny alahady faha-32 mandavantaona (A) isika ny 12 nôvambra 2023 teo. I môpera Aimé (diosezy Miarinarivo) no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'ireo pretra maromaro (P.P. Etienne, Andry, Mamy, Tojo, Joslin, Pascal). Ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy -  nisolo tena azy ireo mivantana ny Maseran'i Md Joany Batista sy ny Pretra dehônianina - no nanomana sy nanentana ny litorjia. Môpera Joslin no teo amin'ny fitendrena ny zavamaneno. Isaorana isika rehetra tamin'ny fandraisana anjara isan-karazany tamin'ny fanatanterahantsika ny fiaraha-mivavaka. Isaorana ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" nandio ny fiangonantsika taorian'ny lamesa.

Tamin'io sorona masina io ihany koa no nitondrana am-bavaka ny Biraon'ny Ankohonana Rasoamanarivo roa tonta, dia ny teo aloha sy ny vaovao vao avy nofidina.  Nanao ny famindra-draharaha mantsy izy ireo ka ireto indray izany ny ao amin'ny Birao mitondra ny Ankohonana mandritra ny 3 taona manaraka : 

Présidente : Hanitra RAHARISOLO

Vice-Président : Sylvestre RANDRIAMASY

Secrétaire : Laurencia RALISOA

Vice-Secrétaire : Sylvain Romuald RAMANDIMBIARISOA

Trésorière : Ernestine RASOARIMALALA

Vice-Trésorier : Hasina RAKOTOMANANA

Anjaran'ny M.D.M.K. indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin'ny alahady 19 nôvambra 2023. Môpera Faly no hitarika ny sorona masina amin'io andro io.

Mikorontandrontana i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Hamafiso hatrany àry ny vavaka ataontsika ho an'ny Fiirenena sy mpiray tanindrazana amintsika mba ho entanin'ny fitiavana hatrany isika. Hiezaka hanalavitra ny fitompoan-teny fantatra izay mety handavaka hantsana mampisaraka antsika anie isika ary hitady kosa ilay elanelam-panahy mitondra antsika any amin'ny tena fihavanana.

Mirary soa antsika rehetra,

P. Pascal sj