Alahady 16/07/2023

Faly miarahaba antsika rehetra !

Atolotra antsika indray ary ny fintinam-baovao sy izay tsara ho fantatra nampitaina tany am-piangonana ny alahady lasa teo, 16 jolay 2023. 

P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin-dry môpera Hugues sy Barnabé. Ny M.D.M.K. kosa no nanentana ny litorjia ary F. Augustin no nitendry ny zavamaneno. I Francel nanao ny raharahan'ny mpiservy. Isaorana isika izay niandraikitra raharaha manokana nandritra ny lamesa. Isaorana koa ny rehetra tamin'ny fahatongavana niara-nivavaka.

Tamin'io alahady io koa no niantsoana tao am-piangonana an'i Môpera João Renato Eidt, Recteur n'ny Collegio Bellarmino izay misy ny fiangonantsika malagasy. Toy ny fanao isan-taona dia notolorana fankasitrahana izy ary notoloran'ny Ankohonana Rasoamanarivo valopy kely ihany koa ho fandraisana anjara amin'ny vidin-jiro. 

Araka ny efa nampitaina tamintsika ihany koa dia eo am-pamaranana ny taona pastoraly 2022-2023 isika : amin'ny alahady 23 jolay 2023 izao dia ao San Macuto ny lamesa, toy ny mahazatra. Ny 30 jolay 2023 kosa no alahady famaranantsika ny taona pastoraly ka any amin'ny "Suore Battistine", Via del Casale di San Pio V, 1 ny fihaonantsika. Amin'ny 9 ora ny fahatongavana, mifarana amin'ny 5:30 hariva. Ny volana aogositra 2023 manontolo kosa dia tsy misy lamesa ao amin'ny San Macuto (Bellarmino), ka mba samy mitady lamesa any akaikiny any avy na any am-panaovana vakansy any.  Miverina ao San Macuto indray isika manomboka ny taona pastoraly vaovao 2023-2024 ny 3 septambra 2023 amin'ny 9:30 maraina.     

Anjaran'ny ELVIR ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 23 jolay 2023.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj