Alahady 17/12/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Misaotra antsika rehetra tamin'ny fiarahana nivavaka ny 17 desambra 2023, tamin'ny alalan'ny sorona masin'ny alahady fahatelo amin'ny Fiaviana (B). Môpera Tsikivy Augustin (Spiritain) no nitarika ny lamesa, niaraka tamin'dry môpera Joslin sy Pascal. Ankasitrahana ny "Fraternità" tamin'ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia, niaraka tamin'i Mr Sylvestre sy Max teo amin'ny zava-maneno ; i Francel no niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy. Akaiky koa moa izao ny fetin'ny Noely ka maro ireo fikarakarana, toy ny fanaovana tranon'omby, izay efa nirosoantsika, ka isaorana manokana an'ireo nikarakara manokana izany.

Amin'ny alahady 24 desambra 2023 amin'ny 9:30 maraina, fankalazantsika ny alahady faha-4 amin'ny Fiaviana (B), dia anjaran'ny ELVIR no manomana sy manentana ny litorjia. Marihina moa fa tsy misy sasankalina amin'ny fiangonana San Macuto (Bellarmino) ny 24 desambra hariva, fa ny 25 desambra maraina isika no mihaona ao hiara-hankalaza ny Noely.

Fampahatsiahivana : ny alahady 7 janoary 2024 no hanaovantsika ny fifampiarahabana ho an'ny taona vaovao 2024 any amin'ny tranon'ny Parrocchia Nostra Signora de la Salette, Piazza Madonna de la Salette 1, 00152 Roma. Hatolotra antsika ny alahady 31 desambra izao ny antsipirihan'ny fandaharam-potoana sy ny mety ho fiomanantsika amin'io. Ny daty manaraka tsara ampahatsiahivina antsika hatrany ihany koa dia ny 11 febroary 2024. Toa mbola lavitra ilay izy saingy mandeha be ny fotoana ka aoka tsy ho zary tampoka amintsika. Any amin'ny Via dei Verbiti, 1, 00154 Roma indray ity ary ny vokatra no hataontsika amin'io fotoana io.

Fanamafisana sy fampahatsiahivana ny fotoanantsika ato ho ato :

1- Alahady 24 desambra 2023 : Sorona masina fankalazana ny alahady faha-4 amin'ny Fiaviana amin'ny 9:30 maraina ; aorian'ny Sorona masina dia hisy famerenana litorjia sy fiomanana maro samihafa momba ny Noely. Tsy misy "Sasankalina"

2- Alatsinainy 25 desambra 2023 amin'ny 9:30 maraina : Vory ao San Macuto (Bellarmino) isika rehetra hiara-hankalaza ny Noely. Ifarimbonana ny ny litorjia ka toy izao manaraka izao ny fandrindrana : Manentana ny Pretra sy Relijiozy, Manao vakiteny I ny MDMK, valiteny II ny ELVIRA, Ranombavaka ny "ekipa solide" (Saint Augustin teo aloha) sy ny Fraternità.

3- Talata 26 desambra 2023 (Santo Stefano) : TSY misy lamesa ao amin'ny San Macuto (Bellarmino)

4. Alahady 31 desambra 2023 : Fianakaviana Masina ankalazaintsika ao San Macuto/Bellarmino ; anjaran'ny MDMK ny litorjia

5. Alatsinainy 1 janoary 2024 : Lamesa ao amin'ny San Macuto/Bellarmino. Ifarimbonana ny litorjia : ny MDMK no manentana, ny ELVIR manao ny vak. I, Fraternità vak.II, ataon'ny ekipa solide sy relijiozy ny ranombavaka.

Izay ndray ary aloha ny fintim-baovaontsika amin'ity herinandro ity

P. Pascal sj