Alahady 18/06/2023

P. Faly, mpiandraikitra ny M.D.M.K. malagasy eto Roma, no nitarika ny lamesa ny alahady 18 jiona 2023 teo ; notronin'ireo pretra niara-nisorona taminy : ry môpera Laurent, Narindra, Nicolas, Pascal. P. Laurent no nitondra fampianarana sy nivaofy ny Soratra Masina.  Nampahafantarina ny mpiara-mivavaka tao ireo pretra zezoita 2 lahy tonga eto Roma , ao Bellarmino, hanohy fianarana : P. Nicolas sy P. Frésie. Nentanin'ny M.D.M.K. ny litorjia tamin'izany, niaraka tamin'ny Frera Augustin teo amin'ny fitendrena ny zavamaneno. Isaorana isika ary ankasitrahina ihany koa ireo nandray andraikitra manokana samihafa : mpiservy (Seba), mpitaty rakitra, ny mpandravaka ny hotely sy fiangonana, ny gropy ELVIR nanao ny fanadiovana ny fiangonana tamin'ny sabotsy 17 jiona tolakandro...sns. Tolorana fisaorana daholo isika rehetra tonga niara-nivavaka. Ary entanina hatrany isika ho tonga hiara-hivavaka ny alahady fa raha misy olona 2 na 3 mivory amin'ny anarako, hoy i Jesoa, dia eo afovoany aho.

Amin'ny faha-25 jiona 2023 dia anjaran'ny ELVIR indray ny manomana sy manentana ny litorjia. Entanina manokana isika mba hitondra am-bavaka ny Firenentsika mandritra ny lamesa fa efa ao anatin'ny fankalazana ny fety isika amin'io andro io. 

Enjikenjika ihany ny fandaharam-potoana ho antsika amin'ny Sabotsy 24 jiona 2023 izao ka samy mba miezaka mandrindra ny fandaharam-potoanany araka izay fahafahany avy : manomboka amin'ny 10 ora maraina dia hisy ny kermesy gasy izay hatao eny amin'ny Via Appia Antica 110/126, izay efa tafiditra ao anatin'ny hetsika fankalazana ny fetimpirenena malagasy. Amin'ny 3 ora sy sasany amin'io andro io ihany dia hisy ny fandraisan'i Nazra, zanak'i Mr Antonio Dofa sy Mme Carine, ny sakramentan'ny Batemy any amin'ny Chiesa San Nicola al Castello (Piazza San Nicola 11, 00013 Mentana, Roma). Aorian'izany, amin'ny 5 ora sy sasany tolakandro dia hanao fisoratam-panambadiana ireo Ray aman-dRenin'i Nazra ao Mucani (Galleria Borghese), Piazza Garibaldi Mentana Roma. Amin'ny 7 ora sy sasany hariva dia manasa olona folo avy amin'ny Ankohonana Rasoamanarivo  hiara-hisakafo izy ireo.

Ny alahady 25 jiona 2023 amin'ny 11 ora indray dia manasa antsika hiombom-bavaka amin'ireo frera salesianina ho hamasinina diakra. Misy Malagasy roa amin'ireo hohamasinina, Rabenasolo A. Gaëtan sy Randriatsara Olivier. Ny toerana hanaovana izany dia ao amin'ny Basilica di San Giovanni Bosco al Tuscolano Roma. Efa nalefa amin'ny whatsApp Ankohonana ny torolalana amin'ny hahatongavana amin ilay Basilica.

Amin'io 25 jiona io dia fotoan-dehibe anentanana ny Malagasy rehetra mba ho tonga any amin'ny Masoivoho amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hankalaza, hitotorebika, hanamarika miaraka ny fankalazantsika ny Fetimpirenena. Toerana misy ny Masoivoho : Via Riccardo Zandonai 84/A, 00135 Roma.

Mirary herinandro sambatra ho antsika ary ho ela velona i Madagasikara

P. Pascal sj