Alahady 19/11/2023

Miarahaba antsika rehetra !

Nankalaza ny alahady faha-33 mandavantaona (A) isika ny alahady 19 nôvambra 2023 teo. Môpera Faly no nitarika ny sorona masina. Ny M.D.M.K. kosa no nanomana sy nanentana, niaraka tamin'i môpera Joslin teo amin'ny fitendrena zavamaneno. Taorian'ny lamesa dia nivory ireo M.D.M.K. nandinika zavatra samihafa. Isan'ny notapahin'izy ireo tamin'izany ny momba ny fankalazana manetriketrika an'i Masina Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka amin'ny zoma 8 desambra izao. Izy ireo no hanomana sy hanentana ny litorjia ary hanao fanavaozana ry zareo. Aorian'ny lamesa dia hikarakara tsaingoka sy goka koa ny M.D.M.K., fa entanina koa isika mba hivimbina izay kely zaka hifampizarana. Ho fiomanan'izy ireo amin'ny fanavaozana dia hanao "ritiro" zareo amin'ny 3 desambra 2023 izao. 

Misaotra ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy nanatanteraka ny fandiovana ny fiangonantsika tamin'ity volana nôvambra 2023 ity.

Anjaran'ny ELVIR indray no manomana sy manentana litorjia amin'ny alahady 26 nôvambra 2023 izao. Amin'io alahady faran'ny taonan'ny Fiangonana io, izay hankalazantsika an'i Jesoa Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao, dia hisy tsaingoka sy goka aorian'ny Sorona masina. Samia mivimbina izay afaka mitsintsina.

Misy daty tsara ho fantatsika sahady ireto :

. Alahady 10 desambra 2023 : Récollection ho antsika rehetra ho fiomanana amin'ny Noely 2023 (toerana mbola hohamafisina)

. Alahady 7 janoary 2024 : Fifampiaraban'ny Ankohonana tratry ny taona vaovao 2024 (toerana mbola hofaritana)

. Alahady 11 febroary 2024 : vokatra hataon'ny Ankohonana Rasoamanarivo (toerana mbola hohamafisina)

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj