Alahady 21/07/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Môpera Pascal no nitarika ny sorona masina ny alahady 21 jolay 2024 teo, niaraka tamin’i môpera Eugène. Ny M.D.M.K. no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin’i Fr Sylvain teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno. Marihina moa fa tamin’io alahady 21 jolay io no farany nanaovantsika ny lamesa tao amin’ny fiangonantsika San Macuto-Bellarmino alohan’ny hiatoantsika kely mandritra ny volana aogositra 2024. 
Mamarana ny taona pastoraly 2023/2024 isika ny alahady 28 jolay 2024 ho avy izao. Araka ny efa nampitaina ombieny ombieny dia hivoaka kely isika amin’io andro io. Manenjika ny lamesa amin’ny 11 ora any amin’ny Chiesa del Domine Quo Vadis isika (via Appia Antica 51, 00179 Roma - Bus 118 azo raisina eo amin'ny fermata Ara Coeli / Piazza Venezia dia midina Appia Antica / Domine Quo Vadis). Aorian'izany dia hihazo ny park hitsangatsanganana isika, izay tsy lavitra miala avy eo amin'ny toerana hanaovana ny lamesa. Aza hadino ny mivatsy fitaovana hanafanàna ny fihaonana, toy ny karatra, dômy... Toy ny efa fanaontsika dia hitsintsina izay zavatra azontsika ifampizarana amin'ny fiaraha-misakafo sy mikorana ihany koa isika.

Amin'ny alahady 1 septambra 2024 dia hiverina ao amin'ny fiangonana mahazatra antsika indray isika, San Macuto-Bellarmino, hanomboka ny taona pastoraly vaovao 2024/2025. Amin'ny 9:30 maraina manomboka ny sorona masina ary anjaran'ny "Ekipa solida" ny manomana sy manentana ny litorjia amin'io alahady io. 

Araka ny fanasana izay efa nalefa tamintsika any amin'ny WhatsApp Rasoamanarivo any dia mitondra am-bavaka sahady an'i Fr Mario isika amin'ny fiomanany amin'ny fanamasinana azy ho diakra amin'ny 15 aogositra 2024 izao.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj