ALAHADY 08/11/2026

Miarahaba antsika rehetra !

P. Eugène no nitarika ny sorona masina ny alahady 8 novambra 2026 teo, notronin’ireo pretra maro tonga tao. Ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Mr Silvestro sy Stanislas no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. 

Omaly moa ny fotoana nifanomezana tamin’ny fanantanterahana ny fifidianana ny Biraon’ny Ankohonana Rasoamanarivo (ômôneria katôlika malagasy eto Roma). Natao izany taorian’ny sorona masina ka tontosa soa aman-tsara. Misaotra antsika rehetra tamin’ny niatrehantsika iny adidy masina iny. Aorian’ny “passation”, izay mbola hatao atsy ho atsy, dia ny Birao vaovao natsangana omaly (08/11/2026) no hitantana indray  mandritra ny telo taona manaraka. Amin’izao dia mbola ny Birao am-perin’asa no miandraikitra ny fampandehanan-draharaha ary mbola misaotra azy ireo noho izany.

Taorian’iny fifidianana izy dia ireto no mandrafitra ny Birao vaovao :

Filoha : Velombe Nero Thomass 

Filoha-lefitra : Randriamasy Sylvestre 

Mpitantsoratra : Bebiniriana Laurencia Ralisoa

Mpitantsoratra-lefitra : Chariffa Karina Binty

Mpitambola : Rasoarimalala Ernestine

Mpanampy ny Mpitambola : Rakotonandrasana Jean Désiré – Rambosalama Tokiniaina

Mpiandraikitra fitaovana (San Macuto) : Razafiarison Toky Andriatsilaizina Donah

Amin’ny alahady 15 nôvambra izao dia handray ny sakramentan’ny Batemy i Samat Rémi Ruan, zanak’i Mr Samat Fanio Gasparin sy Mme Tiandreny Elodie Herla Gladys. Amin’ny lamesa alahady fanaontsika ao San Macuto-Bellarmino no hanaovana izany, amin’ny 9:45 maraina (alahady faha-33 mandavantaona A). Ny “Fraternità” no hanentana ny litorjia amin’izany. Manasa antsika rehetra  ho tonga hiombom-bavaka amin’izy ireo mandritra ny sorona masina.

Mirary soa ho antsika rehetra.

P. Pascal, sj.