Alahady 22/10/2023

Faly miarahaba antsika rehetra,

Môpera Barnabé no nitarika ny sorona masina ny alahady farany teo, 22 ôktôbra 2023, niaraka tamin'dry môpera isany Nicolas, Joslin ary Pascal. Nanomana sy nanentana ny litorjia ny ELVIR, niaraka tamin'i môpera Joslin teo amin'ny fitendrena ny zava-maneno. Misaotra antsika rehetra tonga niara-nivavaka sy nifampitondra am-bavaka.

Tontosa tamin'io andro alahady 22 ôktôbra io ihany koa ny fihaonana nanokafan'ny Pretra sy Relijiozy (Italia) ny taom-pikatrohana 2023-2024.  Teny amiin-dry môpera dehonianina, via del Casale San Pio V, 20, no nanaovana ny fihaonana. Nitarika ny sorona masina tamin'izany i Mgr Jean Pascal, evekan'Antsirabe.

Tamin'io andro io ihany koa no nankalazan'i P. Kennedy (don Angelo) ny faha-10 taona maha-pretra azy, izay natao tao amin'ny paroasy iandraiketany any Aprilia.

Ny Fraternità no manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 29 ôktôbra 2023. 

Amin'io alahady 29 ôktôbra 2023 io dia hanatanteraka ny fifidianana Biraon'ny Ankohonana Rasoamanarivo isika (Prezida sy lefiny, sekretera sy lefiny, lefitry ny mpitambola). Araka ny efa nampitaina tamintsika moa dia tsy mbola hitady Mpitambola isika fa nangatahana i Sr Ernestine mba hanohy izany asa maha- Mpitambola sy mpitahiry ny entan'ny Ankohonana azy izany. Entanina isika mba ho tonga havitrika hanatanteraka izany adidy masina izany. Ny "Birao" no hatsangantsika amin'io fifidianana io, avy eo dia miankina amin'ny Birao voatsangana eo ny fandrafetana ny mpanolo-tsaina sy ny mety ho vaomiera isan-karazany.

Fankalazana manetriketrika ny Olomasina rehetra amin'ny alarobia 1 novambra 2023 izao. Hisy Sorona masina izay hiarahantsika ao amin'ny fiangonantsika, San Macuto-Bellarmino. Amin'ny 9:30 toy ny alahady ny lamesa. Hifarimbonantsika izay tonga ao ny litorjia. Aorian'ny lamesa dia handeha hamangy fasana any Verano isika izay afaka : hamangy ny fasana misy ny taolam-balon'i môpera Paul Louis Rafanomezantsoa sj, izay efa Aumônier n'ny Ankohonana Rasoamanarivo teto Roma.

Fanampim-panazavana momba ilay diantsika any Orte amin'ny 5 novambra 2023 : asain'i Mr Rado sy Mme Caroline isika rehetra amin'ny batemin-janak'izy ireo izay hatao amin'io alahady 5 novambra 2023 io. Amin'ny 11 ora no hanaovana ny lamesa any an-toerana , amin'ny teny malagasy. Aorian'ny fanaovana ny batemy dia hisy fiaraha-mikorana sy mifaly hatao eny an-tranon'i Mr Rado, izay tsy lavitra ny fiangonana. Miara-miainga isika mba hampirindra ny fitsenana any an-toerana rehefa midina ny treno isika (ankoatr'ireo izay mety hitondra fiara manokana). Hamonjy eny Tiburtina (St) amin'ny 8:30 maraina isika mba hiara-hiainga amin'ny "treno" amin'ny 9:00 (mbola mila mividy billets eny an-toerana).

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj