Alahady 25/02/2024

 

Mompera Faly no nitarika ny Sorona Masina ny alahady lasa teo, notronon'i  P. Barnabé sy P. Jocelin ary i P. Nicolas. Alahady faharoa amin'ny  karemy no nankalazaina .

Misaotra ny ELVIR nanentana ny litorjia. Ankasitrahana i mompera Jocelin teo amin'ny fitendrena ny vatamaroafitsoka. Ankasitrahana isika rehetra tonga tamin'io Sorona Masina io. 

Anjaran'ny Ekipa Solida indray no hanentana ny litorjia amin'ny alahady 3 marsa. Izy ireo koa no hisantatra ny fikarakarana ny "chocolat chaud" amin'io volana manomboka io. 

Ny alahady 10 martsa isika no hanao  ny fiatahana masina (recollection) any amin'ny via Appia Nuova 884 , 00178 Roma. Samy mitondra sakafo afaka hifampizarana isika amin'io alahady io. Marihina fa tsy afaka mampiasa lakozia isika ka ezahana mba tsy ho zavatra mbola mila hafanaina no hoentina.

Ampahatsiahivina ireo ekipa rehetra manomana ny litorjia isam- bolana mba hijery akaiky ny tetiandro efa nalefa any amin'ny serasera any   Ampahatsiahivina arak'izany koa ny rehetra mba hijery  ireo fifandaminana amin'ny fikarakarana ny "chocolat chaud". Misy ireo daty vitsivitsy anaty boribory anatin'io tetiandro io izay mbola entintsika  am- bavaka ny fanatanterahana azy.

Angatahina ihany koa ny ekipa tsirairay hanao jery todika ny mety ho fanatsarana ny litorjia, handefa sosokevitra mahakasika izany ka handefa izany any amin'i aumônier (mba tsy hijanona amin'ny "formalité" io sosokevitra alefantsika io fa hiditra amin'ny tena votoatiny sy ny tena zava-dehibe ilaina handrindrana ny litorjia ao am-piangonana).

Tolorana fisaorana hatrany ianareo rehetra izay mbola manohy mandefa solom-bokatra hatramin'izao.  
Hisaorana toy izany koa ianareo rehetra izay nandeha namangy an'i aumônier tany amin'ny hopitaly. Mbola tsy voafetra moa ny fotoana hijanonany any ka entintsika am-bavaka hatrany izy.