Vaovao 07/01/2024

Faly miarahaba antsika rehetra indray sady mamerina ny fiarahabana tratry ny taona !

Tsiahivintsika kely ny niatrehantsika ny fifampiaraban'ny Ankohonana tratry ny taona 2024 ny alahady 7 janoary teo alohan'ny hanomezantsika fintim-baovao tsara ho fantatra sy ho antitraterina.

Isaorana tamin'ny fiombonantsika rehetra tamin'ny fanomanana sy fiatrehana ny fety. Ny sabotsy 6 janoary tolakandro dia efa nisy ekipa nanomana tany amin'ny Paroasy Nostra Signora de la Salette (Roma), toerana nanaovantsika ny fifampiarahabana. Niara-nisalahy tamin'izany fanomanana toerana sy fikarakarana mialoha izany ny lahika, pretra, relijiozy na vavy na lahy.

Alahady 7 janoary maraina nanomboka tamin'ny 9:30 ny fahatongavana tany an-toerana hanao ny fifampiarabana tratry ny taona. Mbola maro koa ny fifanomezan-tanana teo am-panombohana, toy ny fandraisana sy fanomanana ny cadeaux (satria nisy fifanolorana fanomezana), fanamasahana ny litorjia niaraka tamin'ny mpitendry, fijerena sahady ny momba ny nahandro...

Môpera Etienne, prezidan'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy no nitarika ny sorona masina tamin'io andro io, notronin'ireo pretra maro (10) sy diakra 1. Nifarimbonana ny litorjia ; Mr Hervé no nitendry ary Francel no nanao ny raharahan'ny mpiservy. Satria moa vory lanina isika dia mbola nampahafantarina antsika tao indray ireo olona mandrafitra ny Biraon'ny Ankohonana Rasoamanarivo eto Roma izay vao nanomboka tsy ela ka hitondra mandritra ny 3 taona manaraka.

Fifampiarahabana teo amintsika rehetra noho ny fahatratrarantsika ny taona vaovao 2024 moa no nahatafavory antsika tany an-toerana. Nisy ny fiarabana manokana toy ny fanao amin'ny Raiamandreny tratry ny taona izay nataontsika tamin'i Mr Edmond, Raiamandreny be ao amin'ny Ankohonana. Nisy ihany koa ny fiarabana an'i Manuele zanak'i Mr Rado sy Mme Caroline noho ny fandraisany ny sakramentan'ny Batemy tany Orte volana vitsy lasa izay.

Vita ny lamesa dia niroso tamin'ny fandaminana ny salle hanaovam-pety : sakafo, hirahira, dihy isan-karazany, hatsikana, fifanolorana fanomezana...

Mino aho fa afa-po ny rehetra ary rehefa mijery ny sary izay tsy tonga tany dia mitsiriritra !

Hijery ny ho avy indray isika :

Amin'ny alahady 14 janoary 2024 dia hanao lamesa eny amin'ny Paroasy San Gregorio Barbarigo, Via delle Montagne Rocciose , 14, 00144 Roma (Laurentina) i Kardinaly Désiré Tsarahazana, Paroasiny eto Roma amin'ny maha-Kardinaly azy. Ny paroasy any an-toerana no tena tompon'ny fandaminana fa nasaina isika ka handray anjara amin'ny alalan'ny hira fidirana (malagasy), vak. II (amin'ny teny malagasy) ary hiran'ny komonio (malagasy).  Satria alahady faha-roa moa amin'ny alahady dia anjaran'ny Pretra sy Relijiozy ny litorjia. Amin'ny 11 ora maraina ny lamesa. Aorian'ny lamesa dia hisy fiarahan'ny birao sy solontena sasany, toy ny solontena iray isaky ny vondrona (Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy, Ekipa solide, ELVIR, MDMK, Fraternità) hiara-misakafo amin'ny kardinaly sy hisolo-tena antsika amin'ny fiarahabana azy tratry ny taona. Any amin-dry Frère Sylvain, izay eo akaiky eo ihany, no hanaovana ny sakafo. Tsy hisy lamesa ao amin'ny San Macuto (Bellarmino) noho izany.

Aza hadinontsika ny datin'ny alahady 11 febroary 2024 izay hanaovantsika ny vokatra any amin'ny Via dei Verbiti, 1 Roma (zona Ostiense)

Amin'ny 21 janoary 2024 dia anjaran'ny MDMK ny litorjia : alahady faha-3 Mandavantaona (B), Alahadin'ny Tenin'Andriamanitra.

Fanasana : 

Mikarakara fifampiarahabana tratry ny taona ny Fikambanan'ny Zanaky ny diosezin'Ambanja eto Italia amin'ny alahady 21 janoary 2024. Any amin'ny Paroary Santo Spirito, Aprilia ny toerana. Manasa an'izay afaka amin'io fotoana io izy ireo. 

Toy izany koa ny Communauté malagasy any Napoli dia mikarakara fifampiarabana tratry ny taona vaovao 2024 amin'ny alahady 28 janoary 2024 any Caserta. Manasa amin'io fifampiarahabana io ihany koa zareo ho an'izay afaka.

Izay indray ary fa dia mirary soa ho antsika rehetra !

 

P. Pascal sj