Alahady 29/09/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Tomombana ny fetin'ny Ankohonana Rasoamanarivo teto Roma ny alahady 29 septambra 2024 teo. Natomboka tamin'ny sorona masina   tao amin'ny paroasy "Chiesa di Santa Marcella", via G. B. Belzoni 1, 00154 teto Roma izany. I môpera Pascal no nitarika, niaraka tamin'ireo pretra maro tonga sy i Diakra Rémi.  Ny Fraternità no nanentana ny litorjia niaraka tamin'ny fiaraha-mientan'ireo mpitendry maromaro (Hervé, Silvestro, Ernest...). Nandray anjara tamin'ny fanamasahana ny litorjia tamin'ny alalan'ny fihetsika sy dihy ireo fikambanana samihafa. Misaotra antsika rehetra tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny fomba samihafa ka nahazoantsika tsirairay avy ny fientanentanana tamin'iny fiaraha-mivavaka tao anatin'ny sorona masina iny.

Taorian'ny sorona masina dia nihazo ny toerana nanohizana ny fety tao amin'ny Via Odoardo Beccari, 43, 00154, tsy lavitra avy eo amin'ilay paroasy. Nisy ny fiaraha-misakafo sy ny korana samihafa avy eo. Isan'ny zavatra iray nomarihana tamin'ny vavaka natao sy tamin'ny fety ny faha-25 taona naha-relijiozy an'i Frera Désiré (monfortain) ; nisy noho izany ny fanapahana mofomamy ho azy. Toy izany koa : faly ny Ankohonana nandray ireo zazakely vao teraka tonga tany an-toerana niaraka tamin'ny Rainy sy Reniny ; nisy ny fiarahabana manokana an'ireo tera-bao. 

Nahafinaritra ny fiaraha-nientana nanamasaka ny fety. Samy navitrika nandray anjara daholo isika, na tamin'ny alalan'ireo vondrona tsirairay na tarika hafa. Eto dia mamerina indray ny fisaorana antsika rehetra.

Amin'ny 6 ôktôbra 2024 izao, alahady faha-27 mandavantaona (B), dia anjaran'ny "Ekipa sôlida" indray ny manomana sy manentana ny litorjia.

Mirary soa antsika rehetra !

P. Pascal sj