Alahady 26/02/2023

Isaorana i P. Barnabé nitarika ny sorona masina ny 26 febroary teo, alahady voalohany amin'ny karemy, niaraka tamin'i  P. Jocelin sy P. Pascal. Isaorana ny ELVIR nanentana ny litorjia, P. Jocelin nitendry ary Sébastien teo amin'ny lafiny teknika sy niservy. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka tamin'ny alalan'ny sorona masina. 

Amin'ny 5 marsa izao, alahady faharoa amin'ny karemy (taona A), dia anjaran'ny Saint Augustin ny manomana sy manentana ny litorjia.

Mandritra izao karemy izao dia entanina isika, araka ny fahafahantsika avy, hamonjy ny Lalan'ny Hazofijaliana any amin'izay misy antsika any.

Hiainantsika bebe kokoa ny karemy sy hiomanantsika amin'ny Paka dia hanao Récollection isika ny alahady 12 marsa ho avy izao. Any amin'ny Casa Generalizia della Società del Verbo Divino (via dei Verbiti 1, 00154 Roma) no toerana hanaovantsika izany. Samia mitondra sakafo hifampizarana.
Récollection hiarahantsika amin'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy malagasy eto Roma koa amin'io ka anjaran'izy ireo ny manentana ny litorjia. Môpera Tojo (avy amin'ny diosezin'i Miarinarivo) no hitondra ny dinika fanentanana amin'ny karemy ary Môpera Mamy (S.D.B.) no hitarika ny sorona masina. Amin'io fotoana io ihany koa no hisaorana sy hanaovana veloma an'i Masera Céline (F.M.A.). Anisan'ireo olona mandrafitra ny komity mpitantana ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy malagasy eto Roma i Masera. Vita ny fianarana nataony teto Roma ka hitodi-doha ho any an-tanindrazana izy hamonjy iraka vaovao.

Toy izao ny fandaharam-potoanantsika amin'io Récollection io :
- fahatongavana alohan'ny amin'ny 9:30 ;
- 10:00 : conférence I
- 11:00 : fakan-drivotra, vavaka, konfesy
- 11:30 : conférence II
- 12:30 : sakafo ifampizarana
- 14:00 : lamesa (aorian'ny lamesa fandaminana ny toerana alohan'ny hodiana).

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin'ny fivahinianana masina hataontsika any Lourdes amin'ny 28 avrily - 1 mai 2023. Amin'ny alahady 12 marsa no daty farany handraisana ny anaran'ireo izay mbola te-hisoratra.

Miomana amin'ny fandrafetana ny Consiglio pastorale n'ny Ankohonana victoire Rasoamanarivo isika. Angatahina noho izany ny vondrona tsirairay (Pretra/Relijiozy, ELVIR, St Augustin, MDMK, Fraternità) mba hifidy olona roa avy ka hanolotra ny anaran'izy ireo amin'ny aumônier farafahatarany amin'ny Paka (9 avrily 2023).

Mirary soa antsika rehetra.
P. Pascal, s.j.