Alahady 05/03/2023

Môpera Rolin (diosezin'Antsiranana) no nitarika ny lamesa androany 5 marsa, alahady hafa-2 amin'ny Karemy. Niara-nanolotra ny sorona masina taminy ry môpera Erick (diosezin'i Fort-Dauphin), Jocelin, Faly ary Pascal. Ny vondrona Saint Augustin no nanentana ny litorjia ary i P. Jocelin no teo amin'ny zava-maneno. Francel ni-servy. Isaorana isika rehetra tonga niara-nivavaka. 

Hanao récollection any amin'ny Casa Generalizia della Società del Verbo Divino, via dei Verbiti 1, 00154 Roma (Ostiense) isika ny alahady 12 marsa ho avy izao. Hiarahantsika amin'ny "Fiombonan'ny pretra sy relijiozy malagasy" eto Roma io, ka izy ireo no hanentana ny litorjia. P. Tojo (Miarinarivo) no hitarika ny récollection (conférence) ary i P. Mamy (S.D.B.) no hitarika ny Sorona masina. Amin'io koa moa, araka ny efa nampitaina tamintsika, no hisaorana sy hanaovam-beloma an'i Sr Céline. Ampahatsiarovina antsika eto indray ary ny fandaharam-potoana amin'io andro io izay efa nampitaina : 9:30 Fahatongavana ; 10h Conférence I ; 11h vavaka, konfesy ; 11:30 Conférence II ; 12:30 Sakafo (ifampizarana) ; 14:00 Lamesa (fandaminana aorian'ny lamesa alohan'ny hodiana).

Amin'io alahady 12 marsa io ihany koa no andro farany andraisana ny anaran'ireo izay mbola te-hisoratra anarana handeha ho any amin'ny Fivahinianana masina hatao any Lourdes (France).  Aza hadino ny manamarina ny "taratasy" momba anao.

Handrafitra ny Consiglio pastorale isika, izay rafitra ilaina ao amin'ny Ankohonana, koa mangataka ny vondrona tsirairay mba hifidy solontena roa avy. Homena ny Aumônier ny anaran'ireo olona roa isaky ny vondrona ireo amin'ny alahady 9 aprily 2023.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra

P. Pascal sj