Alahady 21/05/2023

Miarahaba antsika rehetra indray !

Toy izao indray ny famintinana ny fankalazana ny 21 mai 2023 sy ny zavatra vitsivitsy tsara ho fantatra :

Nankalaza tamin'ny fomba manetriketrika ny Fiakaran'i Jesoa Kristy any an-danitra isika ny alahady 21 mai 2023 teo. Môpera Daudet no nitarika ny Sorona Masina, notronin-dry Môpera isany : Jocelin, Faly ary Pascal. Nanentana ny litorjia ny MDMK niaraka tamin'i P. Joslin teo amin'ny fitendrena. Misaotra azy ireo isika. Mankasitraka ihany koa an'ireo izay nanana andraikitra manokana samihafa nandritra ny lamesa, toy ny teknisianina sy mpiservy, mpitaty rakitra, mpandravaka sy mpanomana ny ôtely...sns. Isaorana daholo isika tonga niara-nankalaza ny Fiakaran'i Jesoa Kristy any an-danitra.

Ny ELVIR no nanomana sy hanentana ny litorjia amin'ny alahady 28 mai 2023 izao, izay fotoana hankalazantsika ny Pantekôty. Amin'io alahady io, araka ny efa nampitaina tamintsika tao San Macuto sy ato amin'ny Site n'ny Ankohonana, dia i Môpera Fulgence Ratsimbazafy, Provensiali'ny zezoita Faritr'i Madagasikara, no hitarika ny Sorona masina. Hiaraka amintsika ao ihany koa i Môpera Jocelyn Rabeson izay vao voatendry ho Provensialy hisolo an'i P. Fulgence ka handray raharaha aoriana kely.

Hisy fialana hetaheta sy fitsakotsakoana tsaingoka aorian'ny lamesa amin'io alahadin'ny Pantekôty io. Hanomana zavatra noho izany isika ao amin'ny Ankohonana. Asaina koa isika izay afaka hanao izany mba hitondra zavatra hifampizarantsika amin'io fotoana io.

Rahampitso 23 mai 2023 amin'ny 3 ora tolakandro dia hanao "difesa" ao amin'ny Università Santa Croce i P. Hasimanana. Efa nanasa antsika izy ary efa fantatsika rehetra izany fa mba fampahatsiahivanna ihany no ataoko.

Farany dia asaina isika hifampitondra am-bavaka hatrany : misy ireo havantsika miatrika tsy fahasalamana, ireo mety misedra fahasahiranana maro isan-karazany ary mety misy koa aza ny idonam-pahoriana. Miombom-bavaka amin'izy ireo isika.  

Mirary soa ho antsika rehetra

P. Pascal sj