Alahady 11/02/2024

Miarahaba antsika rehetra, ndrindra am'izao fanombohan'ny karemy izao.

Nankalaza ny androan'ny vokatra ny Ankohonana tamin'ny Alahady 11 fevroary. Natomboka tamin'ny sorona masina ny fotoana. Tany amin'ny Casa generalizia n-dry zareo SVD, via dei Verbiti 1 (zona Ostiensa). Môpera Pascal no nitarika ny sorona masina. Niaraka tamin'dry môpera isany : Taorian'ny sorona masina dia samy namonjy ny "grande salle" nanavana ny vokatra ny olona. Talohan'ny lamesa dia efa nisy ekipa nandray an-tsoratra ny vokatra. Nizotra soa aman-tsara ny fandaharam-potoana. Nanomboka ny vokatra avy hatrany isika ka tsy nisakafo raha tsy hita oe efa kely ny sisa. Nisakafo fa notohizana ihany ny vokatra fa voavarotra daholo ny entana nentintsika. Nahalafo entana 1218,00 € ary solom-bokatra 100€. Totaliny zany 1328.00€. Taorian'ny vokatra dia samy niombankomana ka nandaminana fodiana. 

Tamin'io Andro alakady 11 febroary io nono nanendrena ny mpolotsana izay mitarika vaomiera avy. 

Mpnolotsaina mitondra ny vaomieran'ny Finoana, fikambanana maro isan-karazany, sakramenrta, litorjia : Mr Hervé

Mpanolotsaina miandraikitra ny Vaomiera ara-bola sy fitaovan'ny Ankohonana : Mme Eulalie

Mpanolotsaina miandraikitra ny vaomieran'ny kolotsaina sy fety isan-karazany : Fr Désiré (Monfortain)

Mpanolotsaina mitantana ny fifandrandraisa sy Ankohonna sy am Malagasy rehetra : M. Jean-Jacques

Amin'ny alahady 18 febroary izao dia hivavaka amintsika i Mr Dama, izay fantatsika tsara eto Roma. Aorian'ny sorona masina dia hisy "chocolat chaud" ka ataoko efa niomana ny amin'izany.