ALAHADY 24/05/2026

Miarahaba antsika rehetra !

P. Désiré no nitarika ny sorona masina tamin’ny alahady pantekôty teo, niaraka tamin’ireo pretra maromaro tonga tao. Nanao ny raharaha maha-mpiserivy kosa i Francel. Ny “Ekipa sôlida” no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Mr Hervé no teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno. Taorian’ny sorona masina dia nisy ny “rinfresco” niarahana niala hetaheta.

Anjaran’ny “Fraternità” ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady izao (31/05) ; handio ny fiangonantsika ihany koa izy ireo ho an’ity volana mey 2026 ity.

Fampahatsiahivana ireo daty sy fanasana efa voaray :   

Alakamisy 4 jiona :

Faha-100 taonan’ny nahatongavan’ireo missionera Trinitera voalohany tany Madagasikara. Amin’ny 18:30 ny lamesa ao amin’ny Basilika Md Crisogono (Trastevere). Ny hira amin’ny litorjia amin’io dia amin’ny teny malagasy. Nanasa antsika manokana ry zareo Trinitera amin’ny fanentanana ny litorjia sy ny fanamasahana ny hira. 

Alahady 7 jiona : 

Araka ny efa hitantsika ao amin’ny whatsApp Ankohonana dia manasa antsika hiombom-bavaka aminy i P. Abel (diosezin’Ambositra) amin’ny “Voeux perpétuels” izay hataony.

N.B.:

Ny hetsika any amin’ny Trinitera amin’io 4 jiona io no akaiky indrindra (efa ho herinadro sisa). Aorian’ny lamesa amin’ny alahady izao (31/05) dia hisy fanomanana ireo fandraisana anjara hataontsika amin’io fankalazana io.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj.