Alahady 30/06/2024

Faly miarahaba antsika rehetra indray !

Tontosa soa aman-tsara ny fandraisan'ny Arsevekan'i Toliary ny pallium ny sabotsy 29 jiona 2024 teo. Mamerina ny fiarahabana azy isika ary mirary soa azy hatrany amin'ny raharaha maha mpiandry ondry azy. Misaotra antsika rehetra tamin'ny fiarahana sy fanotronana azy tamin'iny fotoana iny, na tany amin'ny sorona masina tany amin'ny Bazilika S. Pietro izany, na tany amin'ny fiarahana nisakafo sy nikorana tany amin'ny Residenza San Pietro Canisio. 

Mbola nitohy ny fiarahantsika tamin'i Mgr Gustavo ny alahady 30 jiona 2024 teo. Nitarika ny sorona masina tao amin'ny Chiesa San Macuto izy (Bellarmino). Niaraka taminy ihany koa ireo "vicaires généraux" n'ny diozezin'i Toliary : Môpera Kaleba sy môpera Raphaël. Niara-nanolotra ny sorona masina niaraka tamin'izy ireo ihany koa ny pretra izay tonga tao : ry môpera Daudet, Barnabé, Crispin, Pascal. Nitendry ny zavamaneno i Mr Silvestro ; ny "Fraternità" no nanomana sy nanentana ny litorjia. Nanomana zavatra notsakotsakoina sy nanaovana "dombera" fialana hetaheta ihany koa izy ireo taorian'ny sorona masina. Misaotra betsaka antsika rehetra.

Teo am-pamaranana ny sorona masina no nijoroan'ireo frera "Trinitaires" - môpera Daudet no nitondra ny tenin'izy ireo - nanasa ny Ankohonana amin'ny voady farany izay hotononin'izy 5 mirahalahy ny zoma 12 jolay 2024, amin'ny 6 ora hariva, ao amin'ny Basilica di San Crisogono martire ( Piazza Sidney sonnino, 44, 00153 Roma). Hohamasinina diakra any Teramo indray izy ireo ny sabotsy 20 jolay 2024. Hohitantsika aoriana kely ny antsipiriham-baovao. Mitondra am-bavaka sahady azy ireo isika eo am-piandrasana ireo fotoan-dehibe.ireo.

Anjaran'ny "Ekipa solida" indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny 7 jiona 2024, alahady faha-14 mandavantaona (B).

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra. 

P. Pascal