Fandinihantena ho an'ny karemy 2023

Eto am-pamakivakiana an'ity vanim-potoanan'ny karemy ity, izay natomboky ny Fiangonana tamin'ny 22 febroary 2023, alarobian'ny lavenona, no anolorako ny fiarahabana sy itondrako ny firariantsoa ho anareo rehetra. Miomana amin'ny fahatongavan'ny Paka isika izao. Io ilay Paka fandresen'i Kristy ny fahafatesana izay ifotoran'ny finoantsika, araka ny natitraterin'i Md Paoly tamin'ireo kristianina tany Korinto. "Raha tsy nitsangana tamin'ny maty i Kristy, hoy izy, dia foana ny toriteninay, foana koa ny finoanareo" (1 Kor 15,14). Fomba na lalana iray manampy antsika hiroso lalin-dalina kokoa amin'ny fiainam-pinoana sy hiditra amin'ny tena atao hoe fibebahana amin'ity karemy ity ny Fandinihantena.

Ao amin'ny boky kely atao hoe Fampiasam-panahy na hoe Exercices spirituels, dia hoy i Md Ignasy avy any Loyola momba ny "antom-pisian'ny olombelona" : "Ny olombelona dia nohariana mba hidera, hanaja sy hanompo an'Andriamanitra Tompontsika, ary hamonjy ny fanahiny amin'izany" ; dia notohizany hoe : "Ny zavatra sisa rehetra eto ambonin'ny tany kosa, dia nohariana ho an'ny olombelona, mba hanampy azy hahatanteraka izay nokendren'Andriamanitra taminy" (n°23). Eo amin'ny famonjena ny fanahy anefa dia tsy ny fanahiko ihany no vonjeko fa ny an'ny hafa ihany koa. Araka io voalaza etsy ambony io ihany koa dia ny Fifandraisana no lalana na fomba ho entintsika manatratra io antom-pisiana io. Miseho amin'ny endrika telo io Fifandraisana io : amin'Andriamanitra, amin'ny olombelona ary amin'ny zava-boahary hafa.

Manarakaraka avy hatrany ny "antom-pisian'ny olombelona", izany hoe ao amin'ny n°24 ao amin'ny Fampiasam-panahy, no iresahan'i Md Ignasy ihany koa ny Fandinihantena. Azontsika tsoahina avy hatrany amin'izany fa mifandray ireo zavatra roa ireo. Ny Fifandraisana amin'ny endriny samihafa entina manatratra ny antom-pisian'ny olombelona no anaovantsika ny Fandinihantena.

Ahoana no fiainako an'io Fifandraisana io manoloana an'Andriamanitra, ny olombelona ary ny zava-boahary hafa ? Tsy misaraka ireo endrim-pifandraisana telo ireo fa mifaningotra. Ny fibebahanao manokana manoloana an'Andriamanitra dia tokony ho hita taratra eo amin'ny fifandraisanao amin'ny mpiara-belona na ny zava-boahary hafa ihany koa. Ny fiezahanao ho iray ao amin'Andriamanitra dia manosika anao hiombona sy hihavana amin'ny mpiara-belona sy amin'ny zava-boahary hafa. Hoy i Jesoa mantsy hoe : "Izay no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia" (Jn 13,35). Hamafisin'ny epistolà voalohan'i Md Joany indray hoe : "Raha misy milaza azy ho tia an'Andriamanitra nefa mankahala ny rahalahiny (na anabaviny na rahavaviny, na anadahiny...sns), dia mpandainga izy, satria, raha ny rahalahiny hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra tsy hitany ?" (1 Jn 4,20).

Fandinihantena ny karemy, izay mety hitondra fiovana eo amin'ny fiainana na eo amin'ilay Fifandraisana araka ny voalaza etsy ambony. Mila fitodihana na fanaovana jeritodika amin'ny antsipirihany ny fiainanao ianao satria ianao irery ihany no hahita sy hanaiky ny fiovana hirosoanao eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Mety fiovana mahery vaika toa ny an'i Md Paoly angamba no henonao amin'izao karemy izao. Dia izy ilay mpanenjika kristianina nikoizana no zary mpiahy azy ireo sy mpitory mafana fo ny evanjely. Fiovam-po goavana. Ireharehan'i Md Paoly izany fiovana teo amin'ny fiainany izany satria manambara ny fitiavan'Andriamanitra azy. "Misaotra an'i Kristy Jesoa Tompontsika izay nankahery ahy aho, hoy izy, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana, dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpanao an-keriny, kanefa nahazo famindram-po aho" (1 Tim 1,12). Mba ho reharehantsika koa anie ny fibebahana na fiovana eo amin'ny fiainantsika ka ho zary fitoriana sahady ny fitiavan'Andriamanitra.

Mety ho antso ihany koa no hivoitra avy ao amin'ny Fandinihantena. Ny firosoana amin'ny fiovana dia miainga amin'ny fahatsapana ny zavatra tsy mety eo amin'ny fiainantsika. Ny antso kosa dia izay zavatra banga na tsy ampy eo amin'ny fiainanao ka tsapanao hoe tokony hatao na hiainana. Mety ho mari-pitiavana izany, na fanampiana ny olona amin'ny endriny samihafa. Eo amin'ny Fandinihantena dia tsy ampy ny mionona fotsiny amin'ny fitsarana izay iainanao hoe mety na tsy mety, hoe tsara na ratsy. Hojerena ihany koa hoe inona no zavatra tsara azonao natao nefa tsy nataonao ? Lehilahy iray no tonga nidodododo nanatona an'i Jesoa sy nanontany azy hoe : "Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay ?" (Mk 10,17). Rehefa avy nitanisa ny didy tokony tandremany i Jesoa dia niteny ilay lehilahy hoe : "hatry ny fony kely aho no nitandrina izany rehetra izany" (Mk 10,20). Ary hoy i Jesoa taminy : "mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra dia hanan-drakitra any an-danitra ianao ary rahefa izany dia avia hanaraka ahy" (Mk 10,21). Mpanankarena be anefa ralehilahy ka nampahory azy izany teny izany ary nandao amin'alahelo an'i Jesoa izy. Tsy voafetra hijanona eo amin'ny fanarahan-dalàna na didy na ho amin'izay tsy maintsy hatao ihany ny fiainantsika kristianina ny fitiavana.

Ankoatry ny fiovana sy antso izay jerentsika manokana amin'ity karemy ity dia tsy hatao ambanin-javatra ihany koa ny fankatoavana sy fikirizana hanohy ny "tsara" izay efa misy eo amin'ny fiainantsika. Rehefa manao Fandinihantena isika dia matetika manavanana kokoa ny mahita ny ratsy na famolavolana tanjona hotratrarintsika. Tsara ny fandinihana mijery akaiky ireo lafin-javatra roa ireo, saingy misy zavatra banga raha mijanona amin'ireo fotsiny. Tsy tokony hohadinoina ihany koa ny manao jeritodika, mankatò ary mifaly amin'ireo zavatra tsara hita na tsapanao eo amin'ny fiainanao : mety ho asa na fihetsika izany, na toetra, na talenta, na fahaizana...sns. Ny fitodihana amin'ireo "tsara" amin'ny fiainanao ireo sy ny fiezahana hitazona na hampiasa azy dia midika ho fandraisana an-tanana ny fahasoavan'Andriamanitra atosany aminao. Manome toky ianao fa hitrandraka sy hampiasa izay rehetra tsara ao aminao hanampiana ny hafa sy ho an'ny voninahitr'Andriamanitra irery ihany. "Raiso, Tompo, ary zakao ny safidiko manontolo, ny fitadidiako, ny saiko sy ny sitrapoko, izay rehetra ananako. Nomenao ahy ireo rehetra ireo ka averiko aminao ; Anao avokoa izy, ka ataovy amin'izay tianao hanaovana azy. Ny fitiavana Anao sy ny fahasoavanao omena ahy fa ampy ho ahy izany" (vavak'i Md Ignasy, Fampiasam-panahy, n°234).

Hamaranako azy dia hoe matetika ny Fandinihantena atao dia mitondra zava-baovao eo amin'ny fiainantsika. Mety hahalalantsika bebe kokoa ny "tsara" ananana, na talenta na toetra, ka hahatsapantsika lalin-dalina kokoa ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra. Mety hampahafantatra ihany koa ny kilema sy ny fetrantsika isan-karazany, izay manampy antsika halemy fanahy sy hamindra fo amin'ny fahalemen'ny hafa manodidina antsika. Hoy i Md Paoly tamin'ny kolosianina momba ny famelan-keloka : "Olom-boafidin'Andriamanitra àry ianareo, sady masina no malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetrentena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin'ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan'ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka ihany koa (Kol 3,12-13).

 

P. Pascal sj